4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ravin-javoka - Lolo sy ny Tariny

Io anie izy avy atsy mivadika avy eroa

Dia mijery fitaratra

Ny fanontaniany mihodina ao an-doha,

Fanontaniana sarotra

Fa nahoana koa (izy re)²

no mahatsiaro ho ratsy tarehy Moa ve

i Jehovah no niangatra

Nahatonga azy toy izao

Novakiany ilay fitaratra

Fa nanome azy sary mankalao, kalalao Mankalao

Sao dia mba ny rainy fony nanamboatra,

No nentin-toaka na mamo

Na ny reniny no tsy nazoto loatra

Tsy nisento na kamo

Dia namboarina izy (1 sy 8)²

zao ireo bandy kely tsy mijery fa mandalo

Dia mitoka-monina

Refa sendra mba mandeha mandihy

Fa tsy misy olona

Mba mazoto hanatitra azy refa mody miantso tody Rehefa mody

Nandramany tokoa ireny maquillage

Sy namboatra volo nanao pilakazy

Nafetany toko ireny lokomena ireny

Nefa toa mandainga ilay fitaratra jereny...

Io anie izy avy atsy mivadika avy eroa,

mangetaheta fitiavana,

mba maniry mafy ny hiara-droa

Na mba hifampitantana

Henika azy indray ny (arabe )²

sy ireo toerana hoe be mpandeha, soa re

nony ela dia nisintaka

ilay tandrifin-drahona efa teo

Fa angamba tsy hamitaka

ity olona iray (fa jereo)3

Zao vao tsapany mangarangarana

ny fiainany maloka

Tsapany ny tsirom-pahasambarana

Ireny izy mampiaraka

Dia nadramany ny (kilalao)²

sy ilay zavatra hafa tsy fanao hatrizao

Kanjo ny fitiavana

lasa nagatsiaka nony lena

Ka tsy tana ilay rangahy

F’izy irery sisa miantso hoe (miverena)3

Nalefany tokoa ireny taratasy

sy ody fitia Na fanafody gasy

‘Zao ny hambom-pony kotsan’ny tomany

Kanefa ilay rangahy tsy te-hahalala izany

Ny zavatra tonga isam-bolana manjary

Toa mandainga fotoana

‘zao izy ratsiana te-hihinam-boasary,

voasary makirana

Marikivy indray no (haniny)²

Mahakivy azy ny (fiainany)²

Toa manenjika ny nenina

Raha mijery ny mason’i Neny

F’efa tsy ho azo afenina

ilay aretina rehefa (kelikely)3

Io anie izy avy atsy mivadika avy eroa

2 volana katroka

Mila ho lasa adala mivadika atidoha

Miongo-bolo mikaroka

Hanasitrana ny (kibony)²

Zay nizihitra tsy fidiny , vidiny

Hadalana izay natao

indray alakamisy hariva izay

F’efa jamban’ny lalao

Diso ny fanisany andro (nihoatra iray)3



Nandramany tokoa re ny ravin-javoka

Somary tanehina

nataony ala nenina

Dimy indray mihinana

irony Nivaquine

Kanefa hatr@ zao toa tsy haninona tsy haninona...

Partager ravin-javoka

Commenter ravin-javoka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite